La douane malgache à l'écoute: pour toute demande d'information, doléances, dénonciations ou besoin d'assistance, contactez le numéro vert 360

 

Projet de loi de finances 2021

Une préparation sous le signe de la décentralisation effective.

 

Les autorités actuelles pratiquent à la lettre sa politique de décentralisation effective prônée par le Président de la République Andry RAJOELINA. Un colloque régional sur la préparation de la loi de finances 2021 s’est déroulé, dans l’après-midi du 03 septembre 2020 à Toliara. Organisé par le Ministère de l’Economie et des Finances, l’exercice a consisté à recueillir sur place les besoins et les suggestions des autorités locales et des opérateurs économiques. Un colloque qui a connu un franc succès en termes de participation, notamment des opérateurs économiques locaux venus en masse pour faire connaître leurs aspirations.

Inévitablement, les questions tournaient autour de la fiscalité où les entreprises ont, une fois de plus revendiqué un allégement fiscal. Une revendication qui a reçu une réponse immédiate du ministre de l’Economie et des Finances Richard RANDRIAMANDRATO qui a déclaré que son département ne prévoit pas une augmentation des taux des impôts pour le projet de loi de finances 2021. Le Grand Argentier a même laissé entendre qu’un allègement est envisageable pour certains impôts. «Nous allons défendre cette idée, mais le dernier mot appartient au Président de la République» a notamment déclaré le ministre de l’Economie et des Finances. Une idée qui a été accueillie favorablement par les représentants du secteur privé venus sur place.

Les notables locaux, dont le Gouverneur de la Région Atsimo Andrefana Tovondrainy Edally RANOELISON, le Député de Toliara Siteny Andriasoloniaiko ainsi que le Ministre de la Jeunesse et des Sports, non moins coach de la région, TINOKA Roberto ont assisté à cette réunion qui traduit à la lettre les objectifs de développement régional tracés dans la vision pour l’Emergence de Madagascar. Toujours dans ce chapitre du développement régional mais cette fois-ci dans le cadre de l’amélioration des services régionaux des impôts, le Service régional des Entreprises de la Région Atsimo Andrefana a été doté d’un important lot de matériels informatiques et de bureautique.

 

Volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanambolam-panjakana 2021 : Fanomanana maneho ny fitsinjaram-pahefana tena izy

 

Ny fitondram-panjakana ankehitriny dia manatanteraka araka izay voasoratra ao anatin’ny antontan-taratasy momba ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy voalazan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Fikaonandoham-paritra mahakasika ny fanomanana ny Lalàna mifehy ny fitantanambolam-panjakana 2021 no notanterahana nandritra ny tolakandron’ny 03 septambra 2020 tany Toliara. Io hetsika nokarakarain’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola io dia natao mba handraisana eny ifotony ireo filàna sy ireo soso-kevitra aroson’ireo mpitondra eny ifotony sy ireo mpandraharaha ara-toekarena. Fikaonan-doha izay nahitana fahombiazana tokoa raha ny isan’ny mpandray anjara no jerena, indrindra ny an’ireo mpandraharaha ara-toekarena teny an-toerana izay tonga maro mba haneho ireo hetahetany.

Araka ny hita dia tsy azo niodivirana ireo fanontaniana niodina tamin’ny resaka hetra sy haba izay nangatahan’ireo orinasa hatrany ny fanamaivanana eo amin’ny resaka hetra. Fangatahana izay nahazo valiny avy hatrany avy amin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambolam-panjakana Richard RANDRIAMANDRATO, izay nanambara fa ny departemanta izay tarihiny dia tsy mihevitra ny hampiakatra ireo tahan’ny hetra ao anatin’ny  Volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanambolam-panjakana 2021. Io lehiben’ny Fitantanambolam-panjakana io dia mbola nanambara ihany koa fa ny fampihenana ny taha dia azo heverina ho an’ireo hetra sasantsasany : «Ho arovanay izay hevitra izay fa ny teny farany dia an’ny Filohan’ny Repoblika » hoy indrindra ny fanambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambolam-panjakana. Io hevitra io moa dia nahazo fankasitrahana lehibe teo amin’ireo solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina tonga teny an-toerana.

Ireo olon-manan-kaja avy eo an-toerana, izay  nahitana ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, Tovondrainy Edally RANOELISON, ny Solombavam-bahoakan’i Toliara Siteny Andrianasoloniaiko ary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay sady mpiahy ny Faritra, TINOKA Roberto dia nanatrika io fivoriana io izay hanoritana ny fomba hanatrarana ireo tanjona ao anatin’ny fampandrosoana ny Faritra voalazan’ny Vina ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara. Anatin’izay lohahevitry ny fampandrosoana ny Faritra izay ihany saingy mahakasika ny fanatsaràna ireo sampandraharaham-paritra momba ny hetra, ny Sampandraharaham-paritra misahana ireo orinasa ao anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana dia notolorana fitaovana ara-informatika sy biraotika maro.

 

Plan du site ::